Hotontosaina anio ny dingan’ny ampahavalon-dalana, amin’ilay fifaninanana “Volamena”. Fifaninanana adihevitra imasom-bahoaka, ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Lycée izy ity, izay hotontosaina ao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina.
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, sy ny tale jeneralin’ny kolontsaina vaovao, Ratovonirina Faly. Manamarika ny fandraisana asa avy hatrany, na fanohizana asa no marimarina kokoa izany. Natsidiky ny tale jeneraly vaovao ireo asa maro miandry.
Hizara ny hiram-pilazantsara any amin’ny FJKM Ziona Vaovao Imerintsiatosika ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana, ny alahady 16 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora. Tafiditra anatin’ny hetsika karakarain’ny sampana Vokovoko manga any an-toerana izany, no fitetezam-paritra hataon’ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana ihany koa.
“Jazz fusion”, eny amin’ny Fara West Faravohitra. Anio, manomboka amin’ny 8 ora alina indray ny fotoana efa ifanomezan’ireo mpanakanto amin’ireo mpankafy mozika maroloko. Hitondra azy ireo hitety vazantany amin’ny alalan’ny jazz ry Moria Randrianantenaina, Antohio Andrianary, i Finoana Aina.