Notontosaina nandritra ny hateloana, tamin’ity herinandro ity, ny fiofanana momba ny serasera ho amin’ ny fiovana toetra, ho an’ ireo mpisehatra amin’ ny fiarovana ny ankizy ao amin’ny faritra Boeny. Miisa 24 ireo nisitraka izany. Ahitana ny mpisehatra avy ao Mahajanga I-II, Marovoay ary Ambato Boeni.
Manohana ny tantsaha malagasy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), izay atao amin’ny alalan’ny fividianana ny vokatra avy amin’izy ireo hozaraina anatin’ny fanohanana ara-tsakafo ireo marefo.
Aty Afrika, 57% amin’ny olona 30 ka hatramin’ny 79 taona izay manana olana amin’ny fiakaran’ny tosidra no tsy mahalala akory ny toe-pahasalamany, hoy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Amin’ireo marary, 27% monja no mahazo fitsaboana ary 12% no mahafehy ny toe-pahasalamany.