Kitra – “Chan 2023” : hihaona amin’ny Congo Brazzaville ny Barea de Madagascar

Ho fiantrehan’ny Barea de Madagascar ny “Chan 2023”, dia atao anio ny lalao fanomanana eo aminy sy i Congo Brazzaville. Izany dia hotanterahina any Tonizia. Nisy ireo fitaovana nomen’ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra, ho an’ny Barea Chan.

Hotanterahina, anio, any Tonizia ny lalao ara-pirahalahiana, eo amin’ny Barea de Madagascar sy i Congo Brazzaville. Hano­ma­nana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja baolina kitra ho an’ny mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, izay hatao any Alzeria, ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary 2023 izany.
Tsiahivina fa efa nisy ny fanazaran-tena notanterahin’ny ekipa malagasy, tao amin’ny kianja Tabarka Stadium, ny alarobia lasa teo, hanamafisana sy hanampiana ny tanjaka sy ny teknika ary indrindra ny fa­haiza – miaraka eo amin’ny eki­pa. Aorian’io lalao io, hisy ny fihaonan’ny ekipa malagasy amin’i Niger, ny 9 janoary, hatao any an-toerana ihany. So­mary ho sahirana ny ekipa malagasy amin’ny resaka toetr’andro, hatsiaka mamirifiry no iainan’izy ireo any an-toerana.

Marihina fa i Rado, mpilalaon’ny Fosa Junior Boeny, ihany no tsy manatrika ireo lalao fiomanana ireo, fa hamonjy mivantana any Al­zeria kosa ny tenany, amin’ny 13 janoary ho avy izao.
Ankoatra izay, somary nanana olana ara-pitaovana ny Barea nandritra ny fampivondronana nataon’izy ireo tany Tonizia. Tsy naharitra ela anefa izany fa nahita vahaolana avy hatrany ny tompon’andraikitra, ka nisy ny fanomezana, toy ny gôdasy matihanina sy akanjo fitondra amin’ny fanazaran-tena, natolotr’ireo mpilalao mila ravinahitra, toa an-dry Melvin sy Morel.

Fitia ( Mpianatra asa)

Partager sur: