Vaovao tambatra

Tra-tehaky ny ekipan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny polisy nanana basy, nitondra fiara 4×4, nitondra zanaka voromahery, Ankoay, miisa 5, ny 16 janoary teo. Natao tanaty trano garaba ireo vorona, izay efa tsikaritry ny ekipan’ny Medd avy lavitra. Marihina, fa karazam-borona tandindomin-doza, sady tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny Ankoay. Manamafy ny minisitera Medd, fa tsy hamindram-po ny fanararaotana ny harem-pirenena.

Nodiovina ny lakandrano eny amin’ny Rond point Alarobia, satria nahitana fiangonan’ny rano ary niteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Hitohy amin’ny fanarenana ny lalana avy hatrany ny asa avy eo, ary tsy maintsy hatao ao anatin’ny fotoana fohy. Miara-manatontosa ny asa ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Miisa 308 000 ny mpizahatany tonga taty Madagasikara, ny taona 2024, raha ny antontanisa ofisialy. Nanamarika anefa ny minisiteran’ny Fizahantany fa tsy mitombina loatra io tarehimarika io, raha tarafina amin’ny isan’ny fifamoivoizana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, mahatratra 48 isan-kerinandro sy ny 18 any Nosy Be. Mila fandrindrana matotra ny lafiny antontanisa, hoy ihany ny ao
amin’ny minisitera.

Partager sur: