Fifa : namoaka mpitsara iraisam-pirenena malagasy 19

Azo lazaina fa matoky ny rafitra iraisam-pirenen’ny taranja baolina kitra malagasy ny federasiona misahana ny baolina kitra eran-tany na ny Fifa. Nisy ny famoahan’izy ireo ny anaran’ireo mpitsara irai­sam-pirenena malagasy mi­isa 19, taona 2023, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly.
Ny enina amin’izy ireo dia mpitsara afovoany, raha mpitsara mpanampy kosa ny 11. Ankoatra izay, manana mpitsara iraisam-pirenena miisa roa amin’ny taranja « Beach Soc­cer » koa ny Malagasy. Marihina fa efa nitsara lalao goavana ny ankamaroan’ireo mpitsara ireo, isan’izany Ra­kotojaona Ando Fetra, mpitsara afovoany lehilahy, izay efa nitsara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Ligue des Champions Africains » sy Rakotozafinoro Lidwine, mpi­tsara mpanampy vehivavy, nitsara ny Mondial vehivavy sy ny Can U20 lehilahy, ary i Hachim Said, mpitsara « Beach Soccer » lehilahy, nitsara ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja « Beach Soccer », tamin’ny taona 2015, natao tany Por­tugal.
Marihina fa tsy nahitana mpitsara malagasy ny teo amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny horonantsary na ny « Var », sy ny taranja baolina kitra lalaovina anaty efitrano na « Futsal ».

Fitia (Mpianatra asa)

Ny anaran’ireo mpitsara iraisam-pirenena malagasy 19
Mpitsara afovoany :
Hanjavola Dominique Rosa (V)
Kanoso Abdoul (L)
Raharimanantsoa Njaka Lovasoa (V)
Rakotojaona Andofetra (L)
Rosalie Rosalie (V)
Tsimanohitsy Ibrahim Ben (L)
Mpitsara mpanampy :
Andriatianarivelo Dimbiniaina (L)
Andriavoavonjy Pierre (L)
Hasinjarasoa Lionnel (L)
Herinirina Augustin (L)
Jinoro Velomanana (L)
Rakotozafinoro Lidwine (V)
Ramanantsara Nivo (V)
Rasoanirina Pauline (V)
Ravelomandimby Danison (L)
Ravonirina Harizo Randrianarivelo (L)
Razafitsalama Herilalaina (V)
Mpitsara « Beach Soccer » :
Maolidy Tsaralaza (L)
Hachim Said (L)

Partager sur: