Tenisy ambony latabatra: miisa fito ireo ligy hiady ny lohany

Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, taona 2022. Fifaninanana izay natao teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Miisa fito ireo ligy handray anjara, toy ny ligin’Atsinanana, Alao­­tra Mangoro, Analaman­ga, Itasy, Vakinankaratra, Am­­bositra ary Matsiatra Am­bony.
Tsiahivina fa klioba 42 avy amin’ireo ligy fito ireo no tonga eto an-toerana. Maha­tratra 285 mianadahy no hifanintsana amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Lalao izay ahitana ny sokajy rehetra, anisan’izany ny sokajy lehilahy sy vehivavy 1ère série, ary ny sokajy zokiny “veterans” lahy sy vavy. Haharitra telo andro ny fifaninanana, ny 6 ka hatramin’ny 8 janoary. Noho izany, natomboka tamin’ny lalao hiraisana ny fifaninanana ary hotohizana amin’ny lalao ho an’olon-tokana, na ho an’ireo tanora io na ny sokajy “veterans”. Hotanterahina anio kosa ny lalao ho an’olon-droa lahy sy vavy, sy ny lalao ho an’olon-tokana 1 ère série lehilahy sy vehivavy ary ny lalao iraisan’ny lahy sy vavy na “épreuve mixte”. Hotan­terahina ny 8 janoary kosa ny lalao famaranana, ho an’ny sokajy rehetra.
Marihina fa natao hifantenana ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena izay ha­nao ny lalaon’ny Afrikanina U17, ny volana mey sy ny lalaon’ny Nosy, ny volana aogositra ho avy izao, samy atao eto Madagasikara, no anton’ny fifaninanana .

Mpilalao valo hiofana any Chine

Aorian’ny fifaninanam-pirenena, hisy mpilalao voafantina valo mianadahy, izay telo vavy sy 5 lahy, handeha ho any Chine, amin’ny volana jona. Hanaraka fiofanana amin’ny taranja tenisy ambony latabatra no anton-dian’izy ireo any. Marihina fa hisy mpanazatra iray hiofana hiaraka amin’izy ireo koa. Izany dia natao hampitomboana ny traikefan’ireo mpilalao malagasy. Ity tetikasa ity dia tanteraka noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny federasiona malagasy (FMTT) sy ny federasionan’i Chine.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: