TSELATRA

Efa-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpiasa amina tetikasa miady amin’ny hanohanana tao Ikongo, voasambotry ny zandary, afakomaly. Mitohy ny fikarohana ireo namany izay niara-nanao io vono olona io. Marihina, nendrikendrehina ho dahalo io olona matin’ny fitsaram-bahoaka io sy ny mpampianatra iray namany.
Tovolahy iray hita faty teo amoron’ny reniranon’i Manambondro, kaominina Manambondro, ambanin’ny EPP, ny alahady teo. Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 nanao fitsirihana ny razana. Tsy teo intsony ny masony roa. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana fatotra tady sady nokendaina izy. Tsy nahitana ratra ny vatany.
Maty nipoahan’ny vanja fanapoahana vato ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny karieram-bato Ankorobe, kaominina Ambohimalaza, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Mpanome baiko ireo mpanampoaka vato izy. Nanomboka nilaza tamin’ny manodidina io lehilahy io ny zoma teo fa tsy azo hivezivezena ny toeram-pitrandrahana kinanjo izy no lasibatra.
Lavon’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambalarano, kaominina ambanivohitr’Anahidrano, ny alahady teo, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Janaivo. Tsy manana trano fonenana raikitra izy. Efa nokarohina ela ity dahalo ity kanjo nifanehatra tamin’ireo polisim-bohitra. Tonga ny zandary haka azy saingy nitsoaka izy ka izao maty voatifitra izao.

Partager sur: