Fanarenana ny tontolo iainana: hisy ny fambolen-kazo ataon’ny mpankafy “Rock”

“Izay mahakolokolo manana ny soa”. Samy manana anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny rehetra. Aleo mba tsy hijanona resaka fotsiny fa amin’ny alalan’ny asa atao no hanentanana ny namana ao anatin’izany fikajiana ny tontolo iainana izany.

Notanterahina teny amin’ny Giant-Stu­dio Isoraka Antana­narivo, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny hetsika fambolena hazo. He­tsika karakarain’ny “Giant”, hanasana ny mpankafy “Rock” sy ny olona rehetra. “Efa ela no nahitana ny fahasimban’ny tontolo iainana. Tsy hatao resabe intsony fa tonga dia tanterahina avy hatrany ny asa amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany”, hoy Raso­loa­rimanana Didi, Tale jeneralin’ny Giant.
Tanjona tamin’ny “Festi­val Rage of Rock” ny hoe “Ho an’ny tontolo”. Misy ny ho an’ny tontolon’ny “Rock” ary misy ny ho an’ ny tontolo iainana. Anjaran’ ny tontolo iainana indray izao no misitraka ny anjarany rehefa nahazo ny azy ny tontolon’ny “Rock” nandritra ny fampisehoana natao tao amin’ny Kianjan’ny kanto, ny taona 2022. Hisy, araka izany, ny fambolena hazo, hotanterahina ny 4 febroary 2023 any amin’ny kaominina ambanivohitr’ An­joma Betoho. Antony maro no nifidianana ny toerana sy ny fotoana hanatanterahana izao fambolen-kazo izao. Eo ny fisian’ny orana izay tena mety amin’ny fambolena hazo sy ny tany hambolena azy. Raha ho an’ny toerana indray, io no toerana tsy lavitra ka afaka manara-maso tsara ny fanirin’ny hazo ny tompon’andraikitra. “Hiaraka hamboly hazo fotsiny hanome ny anjaran’ny tontolo iainana indray, ara­ka izany, ny fianakaviam­ben’ny “Rock” sy “metal” amin’io fotoana io ”, hoy ny mpikarakara.
Zana-kazo manodidina ny 500 isa no hovolena ami­na tany manana velarana eo amin’ny 1 hektara. Fiaraha­na miasa amin’ny kaominina sy ny fikambanana no nahatanterahan’izao hetsika izao.
Efa eo am-panomanana ny andiany faharoa amin’ny “Festival Rage of Rock”, izay hotanterahina amin’ity taona ity, ihany koa ny mpikarakara amin’izao fotoana izao.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: