Fatin-jazavavy vao nalevin’ny fianakaviany nalain’ny olon-dratsy tao am-pasana ny voamasony, omaly. Nalevin’ny havany afakomaly io zaza io. Nofongarin’ireo tsy mataho-tody tao anaty vata ilay zazavavy.
Lehilahy nisoloky ho mahatafiditra ho zandary voasambotry ny polisy tao Ambositra ka nidoboka am-ponja, afakomaly. Nahazo lelavola hatramin’ny 36 tapitrisa Ar tamin’ireo olona efa nosolokiany izy.
Tratran’ny tompom-bady teo am-piarahana tamin’ilay vehivavy ny lehilahy iray ka voarasarasa tamin’ ny antsy. Tsy tana ny ainy taorian’ny vono nahazo azy. Nosamborin’ny zandarimaria tao Marotavandrano, distrika Mandritsara, ilay nahavanon-doza, ny 15 janoary teo.
Mifanampy amin’ny fokonolona mifehy ny firehetan’ny ala ao amin’ny valan-javaboahary Ranomafana ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny kaomisaria ao an-toerana. Voafehy ny afo ho an’ny 15 janoary saingy nahitana faritra vaovao misy firehetana indray nanomboka afakomaly.