“Tsy tokony ho any amin’izay korontana izay intsony isika, fa miandry indray ny fifidianana manaraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar, Antananarivo IV, Rafidimanana Désiré, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany amin’izao. Nisy hatrany ny fifaninanana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha Ravalomanana Marc, fa resy hatrany ny mpanohitra. Tokony hanova paikady koa ry zareo amin’izay fifidianana izay, raha tsy nahomby foana hatramin’izay: izao dia mamolavola olona afa-kifaninana amin’ny dimy taona manaraka. Aleo aloha ho tony ny vahoaka. “Efa tsy liana sy tsy voatarika amin’ny fidinana an-dalambe intsony ny vahoaka amin’izao”, hoy izy. Manararaotra ny fahasahiranam-bahoaka ny mpanohitra indraindray, nefa tsy misy vahaolana: na vary iray kapoaka aza, tsy atolony ny vahoaka ao anatin’ny fahasahiranana. Efa manao ny ezaka rehetra amin’ny sosialim-bahoaka kosa anefa ny fitondram-panjakana. Amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’izay fahasahiranam-bahoaka izay izany.
R. Nd.