Filoha Rajoelina Andry : “Tsy fotoan’ny korontana izao”

Nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nanoloana ny FFKM fa tsy mitsahatra mitady izay hampandrosoana an’i Madagasikara izy. Nohamafisiny koa anefa fa tsy fotoan’ny fanakorontanana izao.

«Tsy manana toerana eto Madagasikara intsony ny fanakorontanana, indrindra ny fifampirafesana sy ny fifandrafiana amin’ny samy Malagasy», hoy ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, tamin’ny fiarahaban’ireo prefet manerana an’i Madagasikara azy noho ny taona vaovao. Nitondra ny te­nin’izy ireo ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa. Andraikitr’izy ireo ny fifehezana ny filaminana, fa misy ny vina sy drafitra hampandrosoana an’i Madaga­sikara. Mila fitoniana sy filaminana ny fanatanterahana izany. Eo, ohatra, ny fanovana amin’ny alalan’ny fambolena. Tanjona ny famokarana vary akotry iray tapitrisa tamin’ny taom-pamokarana manaraka izao. Raha vita ny antsasak’izay, tsy manafatra vary intsony… Ny olana amin’ny famatsiana herinaratra hametrahana “parc solaire” mihoatra ny 500 mégawatts amin’ireo renivohi-paritany. Ny tetikasa “Route du Soleil”, Ambovombe- Ambilobe, hanafainganana ny fampandrosoana ara-toekarena sy fizahantany raha vao vita.
Nitondra ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa noho ny taona vaovao koa ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM, notarihin’ny filohany, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Tsy eto Madagasikara ihany fa manerana an’izao tontolo izao, maro ny firenena misetra olana, raha ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry. Maro koa ny vina sy fanamby tokony hatao. Tsy mitsaha-mikatsaka isan’andro sy andro aman’alina izay hahazoana hampandroso ny firenena izy, hahazoana mandresy ny fahantrana sy ny kolikoly. Tsy mora izany. Tena mikatsaka hatrany ary manana finoana sy fanantenana fa tsy maintsy ho tanteraka ny fampihenana ny fahantrana, indrindra koa hampivoatra ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: