Fihaonamben’ny minisitra eto Afrika : Nandray anjara ny MJS, Moustapha Marson Abdulah

Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny minisitera izay natao tany Gambie, ny 21 janoary lasa teo, i Madagasikara. Noresahina tamin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Afrika.

Notontosaina afakomaly, tany Banjul Gambia, ny fihaonamben’ny minisitera eto Afrika, izay niarahana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena Unesco, Usa­da, Wada, UA. Lohahevitra noresahina tamin’izany fivoriana lehibe izany fa «hamafisina ny fitantanana ny fanatanjahantena aty Afrika, hampiroboroboana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fiaraha-miasa sy fifanantonana mba ho an’ny soatoavina sy ny etika ary ny fahamendrehan’ ny fanatanjahantena». Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ ity hetsika ity, tany an-toerana, ny minisitry ny Fanatan­jahantena sy ny tanora (MJS), i Moustapha Marson Abdulah. Anisan’ireo singa iray laharam-pahamehana amin’ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, ny resaka fanatanjahantena. Araka iza­ny, nataon’ny MJS ho lohalaharana amin’ireo tanjona hoezahina tratrarina ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-pahasalamana, araka ny tondrozotra efa napetraka tamin’izy ireo.

Fanamafisana ny rafitra ara-panjakana…
Tsiahivina fa manana fanamby lehibe ny sehatra afrikanina. Ny fikambanana ara-panatanjahantena eto Afrika nefa misendra olana mahakasika ny resaka fitan­tanana mangarahara, ny fanatsarana ny loharanom-bola, ny fandrindrana tsara manaraka fitsipika. Mba hisorohana izany, nanazava ny minisitra tao anatin’ny tatitra nataony, fa misy sehatra telo tokony handraisana andraikitra.
Anisan’izany ny fampandrosoana ny fahaiza-manaon’ ny mpitantana fanatanjahantena sy ny fanamafisana ny rafitry ny andrimpanjakana sy ny ara-dalàna ho an’ny fitan­tanana fakan-tahaka ary ny fametrahana rafitra fanaraha-maso mahomby sy ny sazy. Ankoatra izay, namaranana ity fihaonambe ity ny fanoloran­tenan’ireo firenena afrikanina ho amin’ny fanovana lalina mikendry ny fanamafisana ny fahamendrehan’ny fanatanjahantena. Tsara marihina fa ity hetsika ity dia manamarika dingana iray mankany amin’ny rafitra ara-panatanjahantena mitombina kokoa, ary mametraka ny etika, tafiditra ao anatin’ny sehatra kaontinantaly.

F.R

Partager sur: