TSELATRA

Tsy mbola nisy tratra ireo gadra 14 nandositra tany amin’ny fonjaben’i Maintirano, ny talata 21 janoary lasa teo. Voalaza fa nihanika tamboho izy ireo ka tafaporitsaka. Voaheloka higadra mandrapahafaty, hiasa asa an-terivozona 20 taona, 15 taona, 10 taona, fito taona izy ireo. Voaheloka tamin’ny fanolanana, vono olona, fangalarana sy ny maro hafa izy ireo. Miandry fitsarana kosa ny roa lahy hafa.

Mpamily fiara kamiao, maty vokatry ny fivadihan’ny fiarany tany Ihorombato, omaly atoandro. Nivarina tany anaty hantsana tany amin’ny lalana mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano io kamiao nentiny io. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ilay mpamily. Fiarabe mpitatitra mpitondra rafia avy any Ambatomainty izy ity, raha ny fanazavana voaray.

Vaky ny fefiloha Androfia mampitohy an’i Malaza Ampitatafika sy Fenoarivo nanomboka, omaly. Antony nahatonga izany, ny ora-mikija sy nisesisesy tao anatin’ny roa andro. Dibodrano, araka izany, ny lalana ka misedra olana ny rehetra, indrindra ny mpianatra marary hamonjy toeram-pitsaboana.

Mpanera iray mpiantsoantso eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be no naratra vaky vava, omaly atoandro, tetsy Andoharanofotsy. Niady sy nifandrombaka vola 200 Ariary avy amin’ny mpamily taxi-be iray izy sy ny mpanera iray hafa tamin’izany. Nazeran’ilay iray teo amin’ny arabe io naratra io ka niteraka ny faharatrana. Nanasaraka ny ady ireo mpanera hafa nahita ny ady.

Partager sur: