TSELATRA

Zazarano narian-dreniny tao anaty tatatra teny amin’ny 67 Ha Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Zaza ahina ho nesorina io hita faty io. Natsipy tany anaty lalan-drano izy ka notsindrohan’ny alika.
Zaza mianadahy iray tampo namoy ny ainy natelin’ny rano tao amin’ny reniranon’i Linta, kaominina Androka, distrikan’Ampanihy Andrefana, ny 26 janoary teo. Ankizy maromaro niara-nilalao rano teo amin’io renirano io.
Mpivady niara-nandeha moto maty nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana teny amin’ny RN44 tao Ambatondrazaka, afakomaly. Nijery tanimbary, nikasa hamonjy fodiana izy mivady ireo kinanjo tra-doza teo amin’ny 12 km tsy hidirana ny tanàna. Notanana ny mpamilin’ilay fiara.
Voasambotry ny zandary ilay lahiantitra nanolana ny zafikeliny nandritra ny efa-taona tao Mangoroka Sandrandahy, distrikan’i Fandriana, faritr’Amoron’i Mania. Nitondra vohoka efa-bolana, afa-jaza io zafiny niharan’ny fanolanana io.

Partager sur: