Vita ny fifidianana. Maro anisa ny olom-boafidy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Manaporofo ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana izany. Naneho fahavonona ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery.
Hiara-hiasa akaiky amin’ ny ben’ny tanàna vaovao ny faritra Analamanga. Toky nomen’ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery izany, omaly, tetsy Ambohidahy. Zava-dehibe rehefa olona afaka miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana no lasa ben’ny Tanàna satria mitovy ny tadin-dokanga dia ny fampandrosoana.
Efa maro anisa ny solombavambahoaka, mbola maro anisa ny ben’ny Tanàna miaraka amin’ny fanjakana fa indrindra koa ireo tsy miankina efa naneho fahavononana hiara-hiasa ka hampizotra tsara ny fampandrosoana izany. Tsy maintsy mandroso i Madagasikara, hoy ny governora.
Ny fahalanian-dRamanantsoa Herilala eto Antananarivo dia midika fa tsy maintsy handroso Antananarivo ary hahomby ny fiaraha-miasan’ny faritra amin’ny kaominina.
Nanentana ny olom-bafidy sy olom-boatendry rehetra izy mba samy hiasa avokoa ary mitaky vokatra tsara izany andraikitra sy fahefana nomena izany.
“Andao isika mpitondra tena hiasa, mila manenjika ny hafainganam-pandehan’ny filoham-pirenena ary manatanteraka. Na mandraoka fako aza no baiko omena dia hatao izany”, hoy izy.
Mihena ny fitiavan’ny olona ny Tim
Etsy andaniny, nambarany fa efa tsy mahazaka olona intsony ny antoko mpanohitra. Efa manaporofo izany ny fahalanian’ny kandida Irmar eto Antananarivo. Mihena ny fitiavan’ny olona ny Tim.
Nanteriny fa miara-miasa amin’ny tsy miankina sy ny mpanohitra ho amin’ny fampandrosoana ny tanànan’ Antananarivo. Misy ny fifanarahana matoa ny Irmar no lany ho filohan’ny mpanolotsaina monisipalin’ny tanàna. Ho fampandrosoana ny tanàna avokoa izany.
Tatiana A