Hitohy, amin’ny alatsiniany 9 janoary ho avy izao, ny lalao fitsapana ataon’ny Barea de Madagascar, mialoha ny hiatrehany ny “Chan 2023”, tanterahina any Alzeria, ny 13 janoary, ho avy izao. Hifanandrina amin’ny Menas an’i Niger ry zalahy, amin’ity fihaonana faharoa ity. Hotanterahina ao amin’ny kianja Stade Practice Tabarka, ao Tonizia izany lalaon’ny roa tonta izany, anio amin’ny 7 ora alina eto Madagasikara. Tsiahivina fa ekipa efa fantatry ny Barea tsara i Niger, satria efa nifanandrina tamin’ny Barea “A”, tamin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2021”. Saika mpilalao avy ao an-toerana avokoa tamin’izany fotoana izany, no nandrafitra ny Menas ary mety ho mbola izy ireo ihany koa no ao anatin’ity ekipa hifandona amin’ny Malagasy amin’ny alatsinainy ity. Ankoatra izay, fantatra fa bozaka natoraly mitovy amin’ny kianja any Constantine, hiatrehan’ny Barea ny fifanintsanana any Alzeria, ny hilalaovana amin-dry zareo Niger. Raha tsiahivina, ny Kintana maintin’i Ghana no hifanandrina voalohany amin’ny Barea, ny 15 janoary ho avy izao, amin’ity “Chan” ity.
Tompondaka