Minisitra teo aloha, Razafimanazato Julien : “Raiso ny andraikitrareo depiote sy loholona…”

Nivoaka amin’ny fanginany manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny minisitra teo aloha, Razafimana­zato Julien. Nanao antso avo amin’ny rehetra ny tenany tamin’izany. Nitodihany manokana tamin’izany antso izany ireo parlemantera. “Raiso ary ny andraikitrareo. Sahia mijoro miaro ny vahoaka tsy ankanavaka sy miaro ny tanindrazana iombonana, araka ny fahefana nomen’ny Lalàm­pano­renana anareo, mba tsy anjakan’ny jadona amin’ny tanindrazantsika “, hoy izy, omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nohitsiny fa tokony hanana fahasahiana ireo parlemantera hanazava ny marina amin’ny tomponandraikitra rehetra, indrindra amin’ireo milaza azy ho mpanohana ny fitondrana ireo. Notebahiny koa fa maro ny manao fiavin’ny tafara te hiseho imason’ny hafa ho mpanohana mahafatra-po izao fitondrana izao. “Maro amin’izy ireo anefa no mpanatsatso nandritra ny tolona niadiantsika niaraka ho an’ny fahalalahana. Fantatrareo namana tsara izany, ka aza atao odian-tsy hita”, hoy ihany izy.

Tandindomin-doza ny firenena

Nitodika amin’ireo namany maro niara-nitolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey koa Razafimanazato Julien ka nanaovany antso avo izy ireny. Niara-nitaky ny fahalalahana ho an’ny tanindrazantsika isika. “Tandindomin-doza tanteraka anefa ny fahalalahana, nimatimatesantsika. Mibi­rioka any amin’ny tsy izy ny fitondrana mijoro. Mino aho fa tsapanareo izany na tsy miloa-bava aza ianareo. Koa mahirata fa aza tampenana ny maso”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: