Taorian’ilay sazy nahazo an’i Bernard Laporte, filohan’ny federasiona frantsay, taranja rugby, nanolotra an’i Patrick Buisson handimby azy ity lehiben’ny FFR ity. Vaovao izay hita tao anaty tambajotraN-tserasera, omaly. Tsiahivina fa voasazy tsy mahazo mitondra ny FFR i Bernard Laporte, mandra-pahatongan’ny fitsarana azy. I Patrick Buisson dia filoha lefitry ny FFR. Araka ny lalàna mifehy ny satan’ ny Federasiona rugby frantsay, azo atao ny manendry ny filoha lefitra ho filoha, ka izay no antony nanendrena azy.
Ankoatra izay, tsy mety miravona tanteraka ny ady eo amin’ny FFR sy ny minisiteran’ny Fanatanjahatena frantsay. Araka ny vaovao voaray, voampanga nanao kolikoly ity filohan’ny FFR ity. “Tsy manaiky hatramin’ny farany aho. Tsy misy vola voaraiko izany nandritra ireo lalao telo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa”, hoy i Bernard Laporte.
Tsiahivina fa i Frantsa no handray ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taona 2023.
Fitia ( Mpianatra asa)