Miroborobo ny fampiasana kodiaran-droa, noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ilaina ny moto vaovao satria azo antoka sy mifanaraka amin’ny toetry ny lalana eto amintsika. Nampahafantarina, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Be Moto sy ny banky Sipem. Nitarika ny fotoana ny tale jeneraly lefitra misahana ny fampandrosoana, Randriatsimialona Lanja, sy ny tale jeneralin’ny Be Moto, i Rémi Auge, teny amin’ny efitrano fivarotana «showroom», Madauto Ankorondrano. Voarakitry ny fifanarahana ny hanamorana sy ny hanafainganana ny tolotra omena ny mpanjifa. Tsy voatery aloa tolobotsotra ny vidin’ny moto vaovao, fa azo aloa tsikelikely mandritra ny 36 volana, arakaraka ny fahefa-mividiny amina zana-bola zakan’ ny rehetra. Tanjona ny hanamorana ny fahafahan’ny mpanjifa tsotra, na orinasa madinika na salantsalany (TPE, PME) mahazo ity fitaovam-pifamoivoizana kodiaran-droa ity. Afaka azy ny mpanjifan’ny Sipem any amin’ireo masoivoho miisa 29 manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny paikady hanomezana tolotra samihafa, mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa, ity fifanarahana fiaraha-miombon’antoka ity. Marihina, fa orinasa mpanafatra sy mpaninjara ny moto marika Loncin sy Voge ny Be Moto. Ahitana fitaovana niomerika ahitana ny toerana misy azy (géo-localisation) izy ireo, vahaolana amin’ny halatra.
Njaka A.