Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Tokony hatao haingana izay fifidianana haverina”

Raha tsy misy ny fiovana, kaomanina 12 no haverina ny fifidianana amina Faritra efatra. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny mpi­tondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbona­na (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fifidianana kaominaly hoe haverina nefa tsy notanterahina teo aloha?

Razanamahefa Désirée Marie Stella (-): Tsy fanarahan-dalàna… Didy no avoakan’ny fitsarana, tsy tokony hivalozana fa tanterahina. Nanontany ny Ceni momba izay izahay. Mbola miandry ny valim-pifidianan’ny Faritany enina ry zareo. Avy eo, hojerena izay kaominina tsy maintsy haverina ny fifidianana. Aorian’izay, halefany any amin’ny governemanta ny tolo-kevitra tetiandrom-pifidianana. Izay no hamoahan’ny governemanta didim-panjakana fanaikana mpifidy. Hampahafantarin’ny Ceni ampahibemaso izay fanapahana sy tolo-kevitra ny amin’izay tetiandrom-pifidianana haverina izay.
* Inona ny lafiratsin’ny tsy fanatanterahana izay fifidianana haverina izay?
– Izay voalaza izay hoe tsy voahaja ny lalàna sy ny didim-pitsarana. Manaraka, lasa delegasiona manokana no mitantana ireo kaominina tokony hamerenana fifidianana. Olom-boatendry izany, mandray baiko amin’izay nanendry azy. Nefa ny olom-boafidy no manatanteraka ny fampanantenany ny olona nifidy azy. Samy hafa be… Tsy manana fifamatorana amin’ny vahoaka ny olom-boatendry, fa ny nanendry azy no anaovana tamberin’andraikitra. Fa ny olom-boafidy no voafatotry ny fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra.

* Aiza ho aiza ny hoe fampandrosoana amin’izany?
– Raha ny marina, tokony hohafainganina ny fanatanterahana izay fifidianana haverina. Voafetra ny fitadiavan’ny olom-boatendry mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana. Amin’ ny ankapobeny, fampandehanan-draharaha no tena ataony. Fa ny olom-boafidy no manana fahefana voafaritry ny lalàna amin’izay azony atao amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Na efa nivoaka aza ny valim-pifidianana ofisialy, mbola mahazo mitory any amin’ny Filankevi-panjakana izay tsy afa-po. Amin’izay fifidianana haverina izay: tsy misy kandidà vaovao, tsy misy anto-bola vaovao, tsy misy lisi-pifidianana vaovao… Tsy fihodinana faharoa koa io ka hoe ny roa voalohany ihany no mandeha, fa miverina hofidina avokoa ireo kandidà eo amin’ilay kaominina.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: