Hotanterahina eny amin’ny “Alliance Française Andavamamba” ny asabotsy 7 janoary 2023, amin’ny 2 ora tolakandro ny fampisehoana ataon’i Mirado sy ny Reko Band. Efa lany tanteraka ny tapakila fidirana. Tsinjo sahady ny ho fahombiazan’ny hetsika. Vonona ny mpanakanto, mpandray anjara, hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy marobe. “Seho mendrika ho an’ny mpankafy, izay naneho fahavononana tokoa no ho atolotra amin’io fotoana io”, hoy ny mpikarakara.
Hianoka fampisehoana miavaka indray ny mpankafy, Mirado sy Reko Band. Ho an’ny mpankafy Mirado manokana, fotoana ela no efa tsy nihaonana. Mangetaheta fampisehoana tokoa ny mpankafy. Andro vitsy nialoha ny fampisehoana dia efa lany ny tapakila fandraisana anjara. Manantena fiarahana mamy amin’ny mpanakanto ankafiziny ny mpankafy. Eo ihany koa ny seho izay nampiavaka ny mpanakanto tsirairay, nahafantaran’ny mpankafy azy. Hanakoako eny amin’ny “Alliance Française Andavamamba” ireo hira nahafantarana an’i Mirado hatrizay. Tsy ho latsa-danja amin’izay anefa ny an’ny Reko Band. Ity tarika ity izay manomboka mametraka ny maha izy azy, ary tena maro mpankafy tokoa.
Lin (Mpianatra asa)