Nisora-panambadiana, nandritra ny mariazy faobe natao teny Ivato, ny miaramila 24 tao amin’ny PARA, omaly. Tanjona ny mba hialana amin’ny tokantrano imaso sy fidirana amin’ny ara-dalàna .
Notanterahina teny amin’ny Toby Jeneraly Ismael Mounibou, 1er Bataillon Parachutiste, Ivato omaly, ny fisoratam-panambadiana faobe ho an’ireo miaramila tsy mbola nahavita izany tao an-toerana. 24 mivady izy ireo no nanaiky hisora-panambadiana sy hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna.
Hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny miaramila feheziny ny lehiben’ny kaomandin’ny bataillon voalohany, mpilatsaka an’elonaina, Moussa Iassini. Tanjona ny hialana amin’ny tokantrano imaso izay manimba ny fijerin’ny fiarahamonina ny miaramila rahateo, raha ny fanazan’ny lehiben’ny toby.
Mihoatra ny dimy taona ny naha miaramila ilay olona vao afaka misora-panambadiana faobe toy izao, raha ny fepetra ara-miaramila. Mitaky fahavononana ihany koa fa tsy an-tery. Nisy ny fanentanana nataon’ny lehiben’ny toby ka nanapa-kevitra ny hiroso izy ireo hanaporofoana ny fampanarahan-dalàna ny tokantranony.
Nampisoratra azy 24 mirahalahy miaraka amin’ny vadiny avy ny ben’ny Tanànan’ Ivato, Randrianarisoa Penjy sy ireo sekreteran’ny sora-piankohonana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny roa tonta no nahafahana nanatanteraka ny fisoratam-panambadiana faobe.
Nanazava ny sektretera jeneralin’ny kaominina, Rabearivelo Rivo fa “nanao fangatahana mikasika ny fanatanterahana ny fanambadian’ireo miaramila ireo ny lehiben’ny toby ho fitsinjovana ny sosialy. Noezahina nohamoraina ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra hampahomby izany”.
“Betsaka ny miaramila manao tokantrano imaso eto Ivato ka nanaovana ny ezaka hahavitana ny fisoratana faobe. Andiany voalohany izao fa mbola hitohy hatrany ny fanentanana sy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta”, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny kaominina Ivato, Rabearivelo Rivo.
Fiaraha-miasan’ny kaominina Ivato sy ny toby 1er Bataillon Parachutiste Ivato no nahafahana nanao ny hetsika.
Tatiana A