Nopotehan’ny fokonolona ny entana tao amin’ ny trano fivarotam-panafody iray ao Foulpointe, omaly. Tsy hita andro vitsy lasa ny ankizilahy 14 taona rehefa voalaza fa nangalatra lelavola 4 tapitrisa Ar. Niasa tao amin’io lehilahy mpivarotra fanafody io ity farany. Nikaroka ilay zaza anefa ny fokonolona ka tonga tao amin’io tranon’ilay lehilahy io. Nopotehan’ny fokonolona avokoa ny entan’ilay tompon-trano.
Notazomina eny Tsiafahy, afakomaly, ilay zandary nitifitra ny lehibeny tany Beroroha ny volana oktobra lasa teo. Notifirin’io zandary io ny kapiteny lehibeny ka niafara tamin’ny famoizana ain’ity farany izany. Nitifi-tena ka naratra mafy teo amin’ny faritry ny tarehiny ilay nahavanon-doza ka nentina notsaboina. Nahazo fahasalamana, nalefa eny Tsiafahy izy.
Lehilahy nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika tao Antalaha, afakomaly. Tsy nanana taratasy ara-dalàna nahafahana nihazona io basy io izy. Nosaivana tao an-trano fonenan’io lehilahy io ka tratra tao ny basy voalaza niaraka tamin’ny bala.
Dahalo roa lahy lavon’ny zandary tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Ambondromamy, distrikan’Ambatoboeny, ny 28 janoary teo. Mpangalatra omby ikoizana izy roa lahy ireo ka efa nokarohina hatry ny ela. Mitohy ny hazalambo ataon’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Ambatoboeny ireo olon-dratsy.