Minisitra Volamiranty Dona : Tsy misangy amin’ny fanakorontanana ny governemanta

Hentitra sy nahitsy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Mbola nanamafy ny minisitra, Volamiranty Mara Dona fa tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna.

“Hijoro sy handray ny andraikitra ny governemanta ary tsy hamela ny fitiavan-tena sy ady seza anjaka eto”, hoy izy tany Fianarantsoa, omaly. No­hitsiny fa mihatra amin’ny rehetra tsy ankanavaka ny lalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Hametraka ny firenena ho tany tan-dalàna isika, araka ny nambarany hatrany.
Nanterin’ity minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) ity fa tsy hitazam-potsiny ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fihoara-pefy ny fitondram-panjakana. “Rehefa avy nanefa ny adidiny tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna ny olom-pirenena, miaro izany ny lalàna. Efa mandray ny asany rahateo ireo olom-boafidy ireo”, hoy ihany izy.
Efa nalohavan’ny fampitandremana nataon’ny go­ver­noran’Analamanga, Rasoa­maromaka Hery, ny herinandro teo izany.

Tsy hisangy

Nohitsiny fa tsy misangy amin’ny fanakorontanana ny fitondram-panjakana. Efa tena sahirana ny vahoaka ankehitriny ka aleo ny asa fampandrosoana no hilofosana sy hatao, araka ny nambarany. “Tsy maintsy hiaran’ny lalàna ireo miketrika ny fanakorontanana… Asa no andrasana amin’ireo rehetra nomena fahefana”, hoy ihany izy. Ho an’ny loholona Tsiebo Maha­leo kosa, nambarany fa mala­helo seza sy manohitra ny fampandrosoana ny firenena ireo mivondrona ao anatin’ny fanoherana amin’izao fotoana izao.
Notsindriny fa tokony avela hiasa malalaka ny fanjakana, ahahafahany mamaha tsikelikely ny olana ara-tsosialy. Anisan’izany ny fidinan’ny vidin’ny solika, ny fitadiavana vahaolana momba ny fambolena…
Niantso ny vahoaka mba tsy ho voafitaky ny mpanohitra mitady seza ity loholona ity.

Synèse R.

Partager sur: