Depiote Rajaobelina Lova Herizo : Mitaona ny vahoaka ho tony

“Nanomboka tamin’ny fifidianana depiote no hita hoe misy an’ireo tsy mahazaka ny fandresena azon’ny mpomba ny fitondrana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Moramanga tamin’ny anaran’ny Iramar, Rajaobelina Lova Herizo, tany Mora­manga, omaly, ny amin’ny fikasan’ny mpanohitra sasany hanakorontana noho ny tsy fanekena valim-pifidianana. Nitombo izay tsy fahazakana faharesena izay tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Lasa entina hanakorontanana ny faharesena. Manoloana izany, mitaona ny vahoaka malagasy mba ho tony izy. Tsy vahaolana intsony ny fanakorontanana. Raha sanatria mbola misy krizy: ho aiza ny firenena? Vao mainka milentika ary ho sahirana ny vahoaka…
“Amin’ny maha solombavambahoaka anay, mitondra ny feon’ny vahoaka koa izahay. Any amin’ny fari-piadidiam-pifidianana misy anay, tsy ahitana an’izay korontana izay”, hoy izy. Mahagaga ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Misy vondron’olona mi­kononkonina zavatra hanakorontana firenena etsy sy eroa. Ny somary mampalahelo: ireo atao hoe raiamandreny mba neritreretina fa tokony hifandinika sy mba hitondra fitoniana eto amin’ny firenena indray no toa lasa mitady hanakorontana amin’izao fotoana izao. Efa tsy izay intsony no tokony hisy.
Tsy ilaina intsony izany fanakorontanana izany amin’ izao. Miezaka hatrany ny fitondram-panjakana: inona no tokony hanatsarana ny fiainam-bahoaka, handaminana koa ny lafiny sosialy… ? Raha misy ve ny fanarenana ny lesoka eto amin’ny firenena, tsy torohevitra ve no tokony hatao, ohatra? Tsy mitondra soso-kevitra ry zareo, fa tonga dia mikononkonina fanakorontanana firenena.

R. Nd.

Partager sur: