Noesorina tsy ho ambasadaoro any amin’ny Vondrona Eoropeanina sy any Bruxelles, i Beriziky Omer, araka ny didim-panjakana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Tsy mbola notendrena kosa ny hisolo azy amin’izany toerana izany.
Nanao tohivakana ireo niarahaba noho ny taona vaovao sy ny nahalany fanintelony indray ny ben’ny Tanànan’Ivato, i Penjy Randrianarisoa. Anisan’ izany ireo olon-tsotra sy fikambanana samihafa. Eo koa ireo mpanao fanatanjahantena, mpampianatra, fiangonana, tanora, mpitandro filaminana, tantsaha…
Tsy nanenina ireo nifidy ny kandidàn’ny Irmar, araka ny nambaran’ny governora, Rasoamaromaka Hery, teny Andoharanofotsy, afakomaly. “Tsy menatra izahay amin’ny lokonay. “Aza misalasala manatona fa vitaintsika anatin’ny fotoana fohy izay hataontsika”, hoy izy tamin’ny fametrahana ny ben’ny Tanàna, i Maire Tôta, eny Andoharanofotsy.
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, fa voaompa sy nozonina tany anaty tambazotran-tserasera ny tenany. “Tsy mahataitra ahy izany. Tsy mitondra soa ny fo feno fankahalana”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hamafisina ny fihavanana fa lasa maro ny Malagasy ory hava-manana.