Fiaraha-miasan’ny FMI sy ny MFFT : Hamafisina ny ady amin’ny mpangalatra tany

Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI).

Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy ny Bianco sy ny eo anivon’ny “Transparency In­ternational – MG”. “Efa ao anatin’ny fandraisana andraikitra momba izany ny eto anivon’ny minisitera. Tafiditra ao anatin’izany ny ady atao amin’ny fandravana ireo tambajotra, mpan­galatra tany”, hoy ny tomponandraikitra. Eo koa ny fametrahana ny fitantanana anaty mangarahara.
Notsiahivin’ny eo anivon’ny MFFT koa ny fanakaike­zana kokoa ny vahoaka eny ifotony momba ny fananan-tany, amin’ ny alalan’ny fananganana ny rantsana BSFI. Manampy izany ny fiahiana sy fanam­piana ireo mpampiasa vola manoloana ny fangata­han’izy ireny velaran-tany hiasana.

Tsy misy indrafo amin’ireo mpangalatra tany

Ankoatra ireo, ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny hametra­hana ny birao ho an’ny fitarainana sy hanaovana ireo dingana samihafa, manoloana ny ady tany.
Tsiahivina fa anisan’ny efa nambaran’ny minisitra, Andri­antsitohaina Naina, ny tsy handeferan’ny fitondram-panjakana sy ny tsy ananana in­drafo amin’ireo mpangalatra tany. Eo koa ny hiarovana ny vahoaka sy ny tantsaha amin’ ny taniny.

Synèse R.

Partager sur: