Naneho ny heviny sy nampita hafatra ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, omaly. Anisan’ny tena nitodihany ireo teratany malagasy milaravinahitra any ivelany.
Tsy hadinony tamin’izany koa anefa ny nanafatrafatra ireo malagasy eto an-toerana. “Tokony hiara-kientana amin’ny asa fampandrosoana isika Malagasy rehetra, na aiza na aiza misy antsika. Aoka tsy hamboly korontana, na koa hampisara-bazana antsika samy Malagasy», hoy izy. Nanteriny fa masoivohon’i Madagasikara ireo Malagasy am-pielezana ka tokony ho mendrika lalandava izany ary hanana ilay soatoavina maha Malagasy antsika, araka ny nambarany hatrany. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo mpaneho hevitra amin’ny tambajotran-tserasera rehetra eto an-toerana na ny any ivelany ka nanentanany ny tokony hanehoana ny firaisankina sy ny maha iray ihany. “Aoka hajaina ny fahendren-drazana… Halavirina ny fanehoan-kevitra na lahateny ho amin’ny fihantsiana na fankahalana, indrindra ireo Andrimpanjakan’ny Repoblika”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy azo ekena koa ny fampirisihana ny olona hanao ny tsy mety na hihoa-pefy sy tsy hanara-dalàna. Mbola nohamafisiny hatrany fa anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ireo Malagasy any ivelany. Tsy natao ho amin’ny fanakorontanana, araka ny nambarany.
Fambolena korontana…
Tsiahivina fa samy efa naneho hevitra sy nanao fanambana avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao.
Samy tsy mankasitraka ary mitsipaka tanteraka ny mety ho fambolena korontana sy ny fampisaraham-bazana eto amin’ny firenena. Amin’ny maha lehiben’ny diplaomasia sy miandraikitra ireo Malagasy any ivelany kosa eto no nanaovan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny izao fampitan-kafatra izao.
Synèse R.