Praiminisitra Ntsay Christian : “Vola 150 miliara Ar no azo tamin’ny fanodinkodinana”

“Tao anatin’ny dimy taona, mahatratra 150 miliara Ar ny vola azon’ny fanjakana nampiasaina tamin’ny fampandrosoana ny firenena toy izay nampisaina fotsiny any amin’ny kolikoly, tandrevaka, fanodinkodinam-bolam-panjakana”. Io ny kabarin’ny Praimini­sitra Ntsay Christian, tamin’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNL CC) 2025-2030, teny Ivandry, omaly. Hita tao anatin’izany ny endrika rehetra nahazoana nanao fampiasama-bola na­naovana sekoly, hopitaly, lalana… Vola avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Betsaka ny vokatra azo amin’ ny fanovana lalim-paka hitondrana ny fampandrosoana. Toy ny fidirana amin’ny haitao nomerika amin’ ny fitantanana isan-karazany: vatsim-pianaran’ny oniversite, ohatra, ny ka­­raman’ny mpiasan’ny oniversite… Na­nom­boka tamin’ny 2019, tena miroso amin’ny fanovana lalina ny fitantanan-draharaha eto amin’ny firenena. Matoa irosona izany, eo ny finiavana hametraka firenena tena mandroso tokoa. “Ma­hafantatra ny rehetra fa ny olana saro-bahana nefa tsy maintsy iadiana ny kolikoly”, hoy izy.
Any amin’ny fanatanterahana amin’izay no tokony hatao amin’ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, raha ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Zava-dehibe ny fialana amin’ny tsimatimanota. Satria be­tsaka ny manao zavatra tsy mi­ady nefa arovana. Mikatso, ohatra, ny fanenjehana any amin’ny Fitsarana avo (HCJ), mandeha koa ny fifampiaro­van’ny mpiray sehatr’asa, mpi­ray fiaviana, mpiray finoana… Lasa sarotra ny ady amin’ny kolikoly. Tokony fampiharana amin’izay ny lalàna hoe: iza no manao kolikoly? Mba ho anatra ho an’ny hafa.

R. Nd.

Partager sur: