FANTINA sy FINTINA

Nanao antso avo amin’ny zanak’Ambohiman­ga, ny Jly Ravalomanana Richard. “Andao isika zanak’Ambohimanga Rova tsy hanaiky hatao fitaovana politika intsony…”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hifanome tanana amin’ny ben’ny Tanàna voafidy tao an-toerana mba hisian’ny fampandrosoana.
Efa misokatra ao amin’ny tranokalan’ny masoivoho ny fangatahana fihaonana manokana amin’ny ambasadaoro any Etazonia, Rakotomalala Lanto­soa, araka ny fanambarana nandritra ny fihaonana ampi­tain-davitra, ny 23 janoary teo. Ity izany rohy izany : “https://us-madagascar-embassy.org/contact”.
Namotsipotsitra ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fihoara-pefy ny kandidàn’ny Tim tao Antsirabe, ny Me Ravaka, omaly, tany an-toerana. Nambarany fa efa nametraka fitoriana miaraka amin’ny porofo izy ireo. “Misy tsikombakomba anefa ny kandidà Irmar sy ny fitsarana. Nanara-dalàna hatrany isika saingy ny ratsy tsy kely lalana”, hoy izy.
Niverina nandray ny asany taorian’ny nahavoafidy azy ny ben’ny Tanànan’Alasora, Randrian­tsoa Jimmy. Nambarany tamin’ny fandraisany ny fahefana, omaly, fa mitohy ny asa fampandrosoana. Tanjo­na ny hoe “Alasora iombonana ka maha te honina”. Nitarika ny lanonana ny sefo distrikan’Avaradrano sy ny depiote, Andriamosa Avotraina.

Partager sur: