Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny serasera. Miantraika any amin’ny sehatry ny dokambarotra koa ny fihazakazaky ny niomerika. Hatao ny 14 febroary 2025 ho avy izao ao amin’ny IFM Analakely ny « Alin’ny dokambarotra sy ny famoronana », andiany voalohany. Hetsika mifantoka amin’ny famoahana ny vokatry ny fifaninanana miompana amin’ny famokarana sy famoronana dokambarotra. Mahakasika ny famokarana dokambarotra na horonantsary ho an’ny orinasa. Fampisehoana vokatra ataon’ny mpahay mitarika amin’ny tambajotra sosialy (influenceurs). Famoronana afisy ho an’ny orinasa. Sary miompana amin’ny karazana loko maneho fihetseham-po. Dokambarotra radio. Fanatontosana ary fitantanana ny famoronana. Manana ny lanjany iraisam-pirenena ny mpitsara ny fifaninanana.
Mikarakara azy ny vondrona Latitude Communication Journalisme, sampam-pianarana Serasera ao amin’ny Sekoly ambony IEP Altitude Group Madagasikara sy ny mpiara-mombon’antoka aminy. Mpanohana ofisialy ny orinasa Yas, tsy mitsahatra mitondra ny anjara-birikiny amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra.
Njaka A.