« Anarenana ny olana ara-bolan’ny Air Madagasikara no antony namarotana ireo Airbus miisa roa A340-300 », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, omaly. Tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara (500 miliara Ar) ny trosan’ny kaompania amin’ireo mpampisambo-bola, ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Ankehitriny, napetraka eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana, natao kaonty voageja amin’ny anaran’ny Air Madagascar ny vola mitentina 20 tapitrisa dolara, (niampy ny vidin’ireo fiaramanidina roa izay 2 tapitrisa dolara) ka ampiasaina amin’ny fomba mangarahara sy araka ny lalàna. Lafo ny fanamboarana ireo fiaramanidina ireo, izay maherin’ny ny 20 tapitrisa dolara ka tsy nahafahana nampiasa azy ireo intsony taorian’ny Covid-19. Noho izany, natao tolobidy tamin’ny taon-dasa ny fivarotana ireo Airbus ka nahazo izany tamin’ny vidiny 2 tapitrisa dolara ny orinasa sinoa.
Migadana
Tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara (500 miliara Ar) ny trosan’ny Air Madagascar. Noho izany, «entina hanarenana ny trosan’ny orinasa ireo vola azo ka handresen-dahatra ireo mpampindram-bola mba hampihena ny vola aloa ampajankana ny fahamarinan-toeran’ny fitantanam-bolan’ny orinasa », hoy hatrany ny minisitra.
Ankoatra izay, anisan’ireo fiaramanidina nasain’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) nalana taorin’ny firehetana nitranga teny amin’ny seranam-piaramanidina ny volana novambra teo ireo Airbus roa ka nandraisana ny fanapahan-kevitra.
Henintsoa Hani