Fangatahan-tsodrano amin’ny fitantanana : Noraisin’ny FFKM ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala

Noraisin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly, teny Andohalo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala.

Nivoitra tamin’izany ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka nifampizarana sy samy nanehoana hevitra ny momba ny andraikitra iombonana eo amin’ny fiangonana sy ny CUA. Nanterin’ny ben’ny Ta­nàna, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fitokisana an’ Andria­manitra ho fanamafisana ny asa rehetra hatao. “Loha­ranom-pahendrena Izy ary tanjaka amin’ny fanatanterahana ny andraikitra”, hoy izy tamin’izao fihaonana izao.
Nanamafy ny mpitantana ny Tanàna fa ao am-pony lalina ny fanavotana an’Anta­nanarivo ka nangataka vavaka sy tsodrano avy amin’ireo raiaman-dreny ara-panahy ny tenany. “Ilaina ny fanohanana sy fahazotoana amin’ny fanatanterahana izany iraka lehibe izany”, hoy izy. Nangatahany koa ny tolo-tanana amin’ny fiangonana ho amin’ny hanentanana ny mpino amin’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ny fahadiovana, ny fahalalam-pomba, sy ny fifanampiana…
Nambaran’ireo filoham-piangonana kosa fa manana adidy hivavaka ho an’ny mpitondra isan’andro ny FFKM. Nampanantena izy ireo fa vonona mandrakariva raha misy ny fakan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana miaraka ho an’ny Tanàna.
Tsiahivina fa anisan’ny voizin’ny FFKM ny tenin’ny soratra Masina 1. “Ny marina no mahafaka anareo – Jao 8,32…”. Zava-dehibe amin’ny fanavotana sy fampandrosoana ny fiarahamonina ny fahamarinana. Fototra iorenan’ny fifampitokisana sy ny fahamarinana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra izany, araka ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: