Adin’i Rwanda sy i RDC Congo: Handefa miaramila dokotera i Madagasikara

Mametraka ny tanjany amin’ny resaka diplaomasia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza ny handefa miaramila mpitsabo any Congo izy hanampy ny ekipa efa an-toerana.

Nambaran’ny filoha Ra­joe­lina Andry, tamin’ny fihaonamben’ny troikan’i Sadc ho mpiantsehatra fa tsy mpitazana i Madagasikara. Manoloana ny ady ifanaovan’i Rwanda sy Congo dia hanome fanampiana eo amin’ny lafiny fitsaboana ho an’ireo maratra sy nafindra toerana i Madagasikara. Handefa ekipa miaramila dokotera hisahana izany isika, hanampy ny mpitsabo efa any an-toerana.
Nolazainy tamin’izany fa mitondra ny feony manoloana ny firenena eto Afrika i Mada­gasikara. “Miara-miasa amin’ireo firenena namana isika hitady vahaolana ho an’ny fametrahana hatrany ny fandriampahalemana eto anivon’ny Sadc, amin’ny maha filoha handray ny fitantanana ity vondrom-paritra ity ahy sy noho ny anjara toerantsika ato anatin’ny Troika, mandrindra ny Sadc”, hoy ny filoha, Rajoelina Andry.
Nanteriny fa hiantoka ny fampanjakana ny fitoniana sy hamaha ny olana rehetra iadian-kevitra ny fiaraha-misalahin’ny firenena mpikambana rehetra, araka ny nambarany. Notsiahiviny fa manome tari-dalana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana sy fiarovana ary filaminana ho an’ny firenena mpikambana eo anivon’ity vondrona ity ny Troïka.

Fihaonana an-tampony
“Manan-danja lehibe, ara­ka izany, ny feon’i Mada­gasikara amin’ny adihevitra momba ny toe-draharaha misy eo anivon’ny firenena mpikambana. Ny fandraisana ny fitantanana ny vondrona amin’ny volana aogositra ho avy izao no anton’izany” , hoy hatrany ny filoha Rajoelina Andry.
Tsiahivina fa avy niatrika ny fihaonana an-tampony momba ny angovo tany Tan­zania ny filohan’ny Repoblika sy ireo delegasionina notarihiny. Niatrika avy hatrany ny fihaonana an-tampon’ny eo anivon’ny Troika, ao amin’ny Sadc indray.

Synèse R.

Partager sur: