Andron’ny manamboninahitra lefitra : Nitaky ny hanajana ny fitsipika ny Praiminisitra

Nomarihana teo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Andrim­pan­jakana ao amin’ny Pri­matiora (BSP) ny 1 febroary ny Andron’ny manamboninahitra lefitra. Niatrika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nanafatrafatra azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny go­ver­nemanta tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisankina amin’ ny fiatrehana ny adidy sahanin’ny tsirairay. “Takina ao anatin’izany ny fandavorariana sy ny fandalàna ny fitsipi-pifehezana amin’ny atao rehetra”, hoy izy. Nohamafisiny fa anisan’ny lalan-tsaina entina miroso hatrany amin’ny fanatanterahana am-pahamendrehana ny asa aman-draharaha andavanandro izany.
Etsy andaniny, nisaorany manokana ny fahaiza-mandrindra ny filaminana hita taratra anatiny sy ivelany eo amin’ireto manamboninahitra lefitra eo anivon’ny primatiora ireto, ka nitondrany fampirisihana mba hitohizan’izany.
Nanao antso avo sy nirary soa ny manamboninahitra lefitra rehetra manerana ny Nosy ny lehiben’ny governemanta. “Aoka isika hanamafy orina hatrany ny firahalahiana sy ny fanekena ny fitsipika ary ny soatoavin’ny foloalindahy Mal­a­gasy”, hoy izy.
Nitarika ny hetsika rehetra nanamarihana sy nankalazana izao Andron’ny manamboninahitra lefitra izao ny Sergent, Ratsizafy Olivier.
Tsiahivina fa hankalazaina isaky ny 1 febroary ny Andron’ izy ireo ary samy manao hetsika tahaka izao avokoa ireo vondron-kery eny anivon’ny Andrimpanjakana sy ireo sekoly miaramila rehefa va­nim-potoana tahaka izao.

Synèse R.

Partager sur: