“Tokony hifanaraka amin’ny kolikoly natao ny fanasaziana amin’ny kolikoly “, hoy ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Sofia, ny jeneraly Lylison René de Roland, teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo, momba ny ady amin’ny kolikoly.
Nofaritany fa fitaovana entina hanovana zavatra ny kolikoly. Hanovana ny mety lasa tsy mety, hanovana ny marina lasa tsy marina, handisoana ny zavatra tokony ho izy lasa tsy izy… Misy fanadinana, ohatra: misy ny tokony ho afaka fa tratran’ny kolikoly dia lasa tsy afaka. Manimba zavatra be dia be izay. Misy orinasa goavana ilaina hamatsy zavatra ho an’ny tanindrazana. Nefa noho ny kolikoly tsy ny orinasa tena hahavita izany no mahazo ny tsenambarotra, fa lasa any amin’ny olona tsy tokony hahavita azy… Manimba zavatra izay. Any amin’ny fitsarana, ohatra: misy ny olona manana ny marina, fa tratran’ny kolikoly dia lasa meloka. Manimba fiainan’olona izay.
Tsy tonga dia fanagadrana na fanasaziana kosa ny fanarenana ny kolikoly. Rehefa misy fitoriana, ohatra, haverina amin’ny laoniny izay nitoriana: rehefa tratra ny mpanao kolikoly, haverina mandresy izay marina na haverina ny fitsarana ka hahazo ny rariny izay tokony ho marina. Raha tratra ny manao kolikoly amin’ny fanadinana, haverina ny fitsarana mba ho afaka izay tokony ho afaka.
R. Nd.