Ampy ny orana : Miroborobo ny fambolena any Menabe

Ampy tsara ny firotsahan’ ny orana any amin’ny faritra Menabe, amin’izao fotoana izao. Mamelona ny fanantenan’ny tantsaha izany satria miroborobo ny fambolena. Mihazakazaka mirohotra amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny tany hambolena izy ireo. Satria, manana fanantenana ny vokatra ho tsara amin’ity taom-pambolena 2025 ity ny tantsaha sy ny mpamokatra any amin’ny faritra Menabe.
Anisan’ny fototry ny fihariana any Menabe ny fambolem-bary, izay ahafahana mamboly indroa isan-taona. Manohana ny tantsaha ny fanjakana, toy ny fanajariana ny lemaka sy ny fananganana tohodrano. Nahatratra 150 ha ny tanimbary nohasaina tamin’ny trakitera, any amin’ny lemaka Vondroze, kaominina Beharona, distrika Manja, ny volana desambra 2024 teo. Marihina fa mirefy 1 800 ha ny lemaka azo jariana any Vondroze, izay lasa sompitry ny vary any amin’ny faritra Menabe, noho ny tetikasa AD2M.

Aondrana any ivelany
Ho an’ny voly an-tanety, tena fahita any an-toerana ny fambolena voamaina (katsaka, voanjo, kabaro, tsaramaso, voanemba, …), tongolobe, sns. Misy amin’izy ireny no raisin’ny mpanangom-bokatra, aondrana any ivelany, toy ny voanjo, kabaro, tongolobe, ohatra. Ahitana ireo vokatra ireo ny kaominina sy distrika Miandrivazo, Mahabo, Ankili­zato, Ankilivalo, Maha­bo, Morondava, hatrany Manja, Belo Tsirihibina, sns.

Njaka A.

Partager sur: