Niantso ny miaramila tsy ho voasarika amin’ ny fihantsiana politika fa hifantoka hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny minisitry ny Foloalindahy. Nambarany fa natao hametraka fandriampahalemana izy ireo, tamin’ ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra lefitra tao amin’ny Ensoa Antsirabe, ny 1 febroary teo.
Hamoaka ny valin’ny fanombanana ny tahan’ny kolikoly sy ny laharana isaky ny firenena momba izany ny eo anivon’ny “Transparency International”. Hotanterahana ny 11 febroary izao izany. Ho fantatra eo ny maridrefy hitarafana ny kolikoly “Indice de perception de la corruption -IPC “.
Ny mpitondra ihany no mahatonga ny tsy fisian’ny fitoniana. “Ny fitondram-panjakana ihany no mamboly korontona eto amin’ny firenena. Porofon’ izany ireo sakantsakana samihafa na koa ireo tetikasa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy nefa ambara fa manara-penitra”, hoy Razafindrafito Christian.
Mitaky ny handravana ny Ceni ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany ny faran’ny herinandro teo, teny Avaradrano, fa maro ireo fandikan-dalàna tamin’iny fifidianana iny. “Fitaovana nampiasain’ny fanjakana nangalaram-bato ny Ceni ary fototra mampisy ny korotana eto amin’ny firenena ka tsy misy ilana io rafitra io intsony”, hoy izy.




