Hentitra ny Prefektiora an’Antananarivo : “Tsy azo ekena ny fivoriana fanakorontanana”

Mbola nanamafy indray ny eo anivon’ny Prefektiora an’Antananarivo: voarara ny fivorivoriana resaka politika hikotrehana fanonganam-panjakana.

Mivonona amin’ny mety fikotrehana hetsika politika ho any amin’ny fa­nonganam-panjakana ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Nandray ny fe­petra rehetra mifanandrify amin’izany ny eo anivon’ny Prefektiora. “Tsy azo atao ny fivoriana ahina hiteraka korontana, indrindra fa tsy nahazoana alalana”, hoy ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, tamin’ny antso an-telefaonina. Nahitsy ny nambarany fa tsy maintsy tonga miatrika izany ny solontenan’ny mpitandro filaminana na nahazo alalana amin’izany fivoriana izany aza ireo mpikarakaraka na mpanomana. Mba ha­hafantarana ny votoatin’ny fi­haonana sy ny tranga miseho, araka ny nambarany hatrany. “Tanjona ny hisorohana mialoha ireo mety ho fikotrehana fa­nakorontanana na koa fanohintohinana ny filaminana sy ny fitoniana eto Antananarivo. Tsy azonay ekena velively izany”, hoy ihany izy.
Anisan’ny efa fepetra no­raisina ny tsy namelana ny fivoriana nokasain’ny mpanohitra hatao. Anisan’izany ny Hery politika mitambatra (HPM) sy ireo antoko politika vitsivitsy notronin’ireo avy amin’ny sendikà maromaro. Tsy tanteraka ny fihaonan’izy ireo teny Faravo­hitra sy teo Antaninarenina ary koa ny tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo.

Hiafara amin’ny fidinana an-dalambe
Nosakanan’ny mpitandro filaminana hatrany izany ka nirava maina. Etsy andaniny anefa, nanambara ireo avy amin’ny fanoherana ireo fa tsy mba voasakana na ahitana mpitandro filaminana miatrana ireo toerana fivorian’ny mpomba ny fitondrana. Manoloana izany, nilaza izy ireo fa tsy hanaiky intsony amin’izao tsy fipetrahan’ny fahalalahana izao. “Tsy misy resaka fanonganam-panjakana ny fivoriana rehetra nokasainay. Vao main­­ka manosika ny vahoaka ho any amin’ny fidinana an-dalambe ny tahaka izao”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: