TSELATRA

Rongony 375 fototra nongotan’ny zandary tao Sahabe, fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambanivohitra Ambohibary, omaly. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny toeram-ponenan’ny lehilahy iray. Tratra tao aminy ireo rongony ireo niampy roa gony ary roa harona plastika. Olona roa niara-voasambotra. Ankoatra io, rongony roa fototra koa nogiazan’ny mpitandro filaminana teny Ankatso II, omaly.

Lehilahy nikasa hamaky trano nosamborin’ny polisy teny Ankorondrano, ny 3 febroary teo. Nisikotra ny vavahady, tazan’ny tompon-trano io olon-dratsy io. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo ka noraisim-potsiny io mpandroba io.

Mpangarom-paosy anaty taxi-be voasambotry ny polisy teny Manjakaray, omaly. Monina eny Sabotsy Namehana, efa fanaon’io lehilahy io ny misava paosin’olona anaty fiara fitateram-bahoaka. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny izy ka tsy afa-niala.

Jabiby na “Baobab nain” miisa 15 gony saron’ny zandarimaria teo amin’ny sakana Vinaninkarena, omaly. Nosakanana ny taksiborosy iray nahazoan’ny mpitandro filaminana loharanom-baovao. Nentina avy any Atsimo, mahatratra 882 fototra ireo baobab kely ireo.

Partager sur: