Drafitra fampandrosoana eny ifotony: Nomena tari-dalana ireo ben’ ny Tanàna

Hohatsaraina ny fampiharana ny rafitra ifotony ho an’ny fikaonandoha sy ny drafitra fampandrosoana ny eny ifotony. Nanome ny tari-dalana momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).

Nanatanteraka atrikasa fampahafantarana ny tari-dalana ho an’ireo ben’ny Tanàna vaovao sy ireo mpiara-miombon’antoka ny eo anivon’ny MFFT, ny talata lasa teo, tetsy Anosy. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fampiharana ny Rafitra ifotony ho an’ny fikaonandoha (Rif-SLC) sy ny fandrafetana ny drafitra fampandrosoana ifotony tsy manavaka sy iombonan’ny sehatra rehetra (PDLII ) izao atrikasa izao. Voaresaka sy nampahafantarin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny MMFT, tamin’izany, fa anisan’ny fitaovana entin’ny kaominina miasa izany mba hahatonga ny fandraisan’anjara eny ifotony. Manampy izany koa anefa ny hitondrana fampivoarana sy ho fampandrosoana ireo kaominina ireo. “Raisina ho toy ny karazana tondrozotra izany ka hampifanarahina amin’ny zava-misy eny amin’ny kaominina misy azy tsirairay avy amin’ny alalan’ny fampiharana ny tari-dalana”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT.

Hitrandrahana ny hetahetam-bahoaka
Etsy andaniny, natao ho fitaovana tsy hiandrasana ny fiaraha-miasa amin’ny avy any ivelany vao afaka miasa ny PDLII.
Tsiahivina fa tokony hahenika hatrany anivon’ny fokontany ny Rif-SLC, ahafahana mampiakatra ny filan’ny vahoaka hatrany amin’ny faritra. Natao hitrandrahana ny hetahetam-bahoaka rahateo izany. Tafiditra ao anatin’ny Rif-SLC ny fanorenana ny fifandraisan’ny tomponandraikitra sy mpisehatra amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fifandraisana sosialy sy kolotoralin’ny mpisehatra rehetra; ny fampiroboroboana ny demokrasia eny ifotony; ny fampandraisana anjara ny mpisehatra rehetra amin’ny fampandrosoana ny faritra ary ny fiarovana ny tombontsoan’ny daholobe ka lehibe indrindra amin’izany ny fitiavan-tanindrazana.

Synèse R.

Partager sur: