Fanjavonan’ny ben’ny Tanàna: Voatendry ho PDS an’Antsiranana i Tiana Edmond

Tsy an-kiandriandry. No­tendrena ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ao amin’ny kaominina An­tsiranana I i Tiana Edmond. Nirosoana, omaly, avy hatrany ny famindram-pitantanana na­n­draisan’ny mpitantana vaovao ny tanàna.
Voalaza ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fanjavonan’ny ben’ny Tanàna vao voafidy fanindroany, i Djavojozara Jean Luc Desiré. Tsy fantatra mazava rahateo ny tohin’ny raharaham-pitsarana ity ben’ny Tanàna ity noho izy voasaringotra amin’ny kolikoly tamin’ny nitantanany ny kaominina Antsiranana, tamin’ny fe-potoam-piasana teo aloha.
Vao avy nandresy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra teo iny anefa ny tenany rehefa nofidian’ny vahoaka tamin’ny taha 65% raha nirotsaka tamin’ny tsy miankina, araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ ny Ceni. Mbola nohamafisin’ny didy navoakan’ny Fitsa­rana misahana ny ady amin’ny fanjakana izany fandreseny izany. Na izany aza, tsy hita ny nanjavonan’ity ben’ny Tanàna ity nanomboka tamin’ny fametrahana ny dosie firotsahan-kofidiana ka hatramin’ny propagandy. Efa nampiakatra fandravana didy koa anefa i Djavojozara Jean Luc Desiré, manoloana ny sazy nampiharina taminy.
Tsiahivina fa manala tena avy hatrany ny ben’ny Tanàna rehefa tsy hita ao anatin’ny enim-bolana, araka ny voalazan’ny lalàna. Soloina koa izy ary tsy maintsy hatao ao anatin’ny 120 andro ny fifidianana ben’ny Tanàna ka tsy mahazo mirotsaka ny PDS, mpisolo toerana.

Synèse R.

Partager sur: