Antoko Fivoi : Miantso ny hanatanterahana ny fifidianana sefo fokontany

Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana.

Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny an­toko politika Fivoi, nandritra ny fam­pahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy re­hetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “To­kony halefa telo volana fara fa­­­ha­tarany aorian’ny fisoloan’ ny ben’ny Tanàna izany fifidianana izany, araka ny voalazan’ny fehezan­­-dalàna, 2009-890”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo sady filoha mpanorina ny antoko Fivoi, Rajerison Antoine. Fifidianana samy hafa kosa ny an’ny sefo fokontany sy ny lefiny. An­gatahin’izy ireo ny hanaovana io fifidianana io satria mijaly ny olona eny ifotony. Anisan­’ izany, ny hamaroan’ny tanin’ olona lafo, ny fanapahana ny hazon’olona maniry. Tsy manana taratasy avokoa ny ankamaroan’ny tanin’olona any ambanivohitra ka mahatonga ny sasany manararao-pahefana. Nambarany fa tsy miaro ny fokonolona ilay solontena napetraka hitantana ny tanàna fa miaro ny tombontsoany manokana. ­“Ton­droin­’ny sefo fokontany ho ani­san’ny dahalo ihany koa ireo olona tsy mifankahazo sy tsy dia tiany eny ifotony”, hoy hatrany izy. Lasa any am-ponja ny ankamaroan’ny olona, noho izany.
“Mba hanamafisana ny fifampitokisan’ny olona eny ifotony, sy hampazotoana azy ireo hifidy, ny antony handefasana ny fifidianana io sefo fokontany io”, hoy hatrany izy nanamafy. Tokony hanatanteraka izany ny mpitondra raha tena manaja ny fenitra demokratika sy tany repoblikanina. Handefa taratasy any amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny hatrany amin’ny iraisam-pirenena rehetra mahakasika izany.

Mino

Partager sur: