Nozaraina omaly, tany amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe, ny karatany miisa 25 668, amin’ny alalan’ny tetikasa Tafita. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina.
Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny nampihena ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe iny izao hetsika izao. “Tsy misy intsony ny ady tany na tsy fifankahazoana eo anivon’ny fiarahamonina”, hoy izy ireo. Tsy vitan’izany fa ahafahana mahazo fampidramam-bola eo amin’ny fambolena tsara kokoa ho an’ireo tantsaha any an-toerana ny fahazoana izao karatany izao. Hahavita hamatsy vola ireo vokatra ary hanatsara ny fitantanana ny loharanon-karena eny ifotony koa izao fahazoan’ny ao Ambohitromby karatany izao.
Tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny Afafi Centre izany, ary iarahana miasa amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny tetikasa Tafita eo anivon’ny MFFT. Manampy izany ny Fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananantany (DGSF), ny Sampandraharahan’ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (DSFD). Eo koa ny avy amin’ny Fitaleavan’ny fanajariana ny tany (DGAT) ary ny Fitaleavan’ny fitsinjaram-pahefana (DGDDL).
Hizara karatany maherin’ny 60 000
Tanjona amin’izany ny hanomezana ireo mpisitraka ny rafi-dalàna voaaro sy azo antoka ho an’ny fampiasam-bola amin’ny tany amin’ny alalan’ny karatany. Eo koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny MFFT sy ny tetikasa Tafita. Manome antoka ny amin’ny hoavin’izy ireo izany ary manampy amin’ny fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny toekarena.
Miasa ho an’ny faritra Analamanga sy ny any Itasy ny tetikasa Tafita ary amin’ny volana aogositra vao hifarana izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mikendry ny hizara karatany maherin’ny 60 000 izy ireo, amin’izany.
Tsiahivina fa anisan’ny nisitraka ny karatany koa ny avy any amin’ny kaominina Betatao, Arivonimamo I sy II. Eo koa ny eo an-toerana, ny kaominina Ambohitromby, Morarano, Imerintsiatosika, Mahavelona, Ambohitrambo…
Synèse R.