Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahaiza-manao sy ny fahendrena…”

Mbola nanantitrantitra ha­trany amin’ireo ben’ny Tanàna ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Na­nafatra ireo mpitantana eny ifotony tany Ankazobe ny tenany.
Nambarany fa mafy ny asa miandry ny ben’ny Tanàna ary efa niaina izany ny tenany fony nisahana izany andraikitra izany. Nampahereziny tsy ho kivy izy ireo. Miandrandra sy manantena anareo ny mponina tamin’ireo fampanantenana, araka ny nambarany. “Tsy ho mora ny hahatanteraka izany fa mitaky asa sy fahavononana ary fahendrena”, hoy izy, tao amin’ny kaominina Ambohitromby, distrika Ankazobe, omaly. Nampanan­tena ny tenany fa vonona hanampy ireo ben’ny Tanàna ny minisitera tantaniny amin’ny alalan’ny tetikasa hahazoana traikefa. Hapetraka tsy ho ela izany ka hisy ny fanofanana azy ireo hananany ny fahaiza-manao. “Mba tsy higadra noho ny tsy fahaizana ny lalàna na noho ny tsy fahafantarana ireo dingana samihafa tokony hatao amin’ny fitantanana kaominina”, hoy izy.
Notsiahiviny fa fahefana lehibe eo an-tanan’ny ben’ny Tanàna ny Birao ifoton’ny fananantany (Bif) ahafahana mizara karatany ho an’ny vahoaka. Mbola ilana fahen­drena koa ny momba izany, araka ny nambarany. Ani­san’ny nitondra fandriampahalemana sy filaminana ary fampandrosoana izany. “Mba ho lovain-jafy ny tany ary manana fanamarinana ny maha anareo ny tany isika izao ka tsy ahina hisy hangalatra in­tsony”, hoy izy.
Fanafainganana ny asa…
Nanteriny fa maherin’ny 60 000 ireo karatany hozaraina amin’izao tetikasa izao. Mbola eo koa anefa ireo tsy voazara ka niantsoany sy nanentanany ireo tompon’andraikitra rehetra ny hijerena izany akaiky sy ny hanafainganana ny famoahana izany. Hisitrahan’ny vahoaka tombontsoa ny fahazoana izany. Natsidiny sahady koa anefa fa efa propagandy ho an’ireo ben’ny Tanàna amin’ny dimy taona manaraka ary ahafahany miverina amin’ny toerana ny fikarakarana izany ho an’ny vahoaka. “Ho mora ho an’ny rehetra ny mankasitraka sy mifidy anareo amin’izany fotoana izany”, hoy izy.
Nambarany koa fa efa hita izao ny vokatry ny hetsika, fizarana karatany sy “Titre” faobe ka hotohizana.

Synèse R.

Partager sur: