FANTINA sy FINTINA

Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hitaterana ao anatin’ny fotoana fohy ireo fitaovana rehetra ilaina hanatontosana ny fihaonana an-tampon’ny COI, hatao eto amintsika ny volana avrily izao. Hifarimbona amin’izany ireo minisitera sy ny governora ary ny ben’ny Tanàna…
Nirary soa ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, noho ny taona vaovao ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina Tim, voafidy tany amin’ny distrikan’Andramasina, omaly. Fotoana koa io nanomezana toromarika azy ireo. Tafiditra ao anatin’
izany ny famelomana aina ny mpikambana eny ani­von’ny fokontany.
Nifampidinika tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravahitra, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Itaosy, Rasolofo Haja. Nivoitra, tamin’izany, ny momba ny fampandrosoana ny faritra sy ny hevitra hoentina manakaiky hatrany ny vahoaka.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny fampanantenany ny ben’ny Tanànan’Ivato, i Penjy Ran­drianarisoa. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana eo amin’ny Sary Masina, fiantsonan’ny taxi-be, ny eny amin’ny fokontany Ilaivola sy ny kartie fahenina. Nambarany fa mbola hitohy any amin’ny fokontany hafa izany. “Hajao hatrany ny tanànantsika”, hoy izy.

Partager sur: