Fanaraha-mason’ny Safidy : “5,48% ny vehivavy voafidy ben’ny Tanàna”

Na nihatsara aza, mbola ambany. 93 (5,48%) amin’ny 1 695 ny vehivavy voafidy ho ben’ny Tanàna. Avy amin’ny Irmar ny 53 amin’izany, 30 tsy miankina, ary 10 avy amin’ny antoko hafa. Io ny tatitry ny Safidy teny Ambatonakanga, omaly, ny fandraisana anjaran’ny vehivavy tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Misy faritra manana vehivavy ben’ny Tanàna toa an’Androy sy Boeny. Birao fandatsaham-bato 2 738 tamina kaominina 365 no nanaovany fanaraha-maso. 48,79% ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy, araka ny vokatra vonjimaikan’ ny Ceni. Nahitana fiakarana izany, fa 41,03% tamin’ny fifidianana kaominaly 2019. Nahazo kaominina 968 amin’ ny 1 695 ny Irmar. Tsy nahazo afa-tsy 40 ny Tim ary 14 ny Firaisankina. Kaominina 52 kosa no azon’ny Fivoi, izay anisan’ny hery politika eto amin’ny firenena.
Anisan’ny  tolo-kevitra laharam-pahamehan’ny Safidy ny hanatsarana sy hanamafisana ny mangarahara ary hiantohana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ ny fifidianana manaraka, ohatra, ny hamafisiana ny mangarahara sy ny fanajan-dalàna amin’ny fikirakirana voka-pifidianana. Eo ny hanatsarana ny lalàna sy ny fitantanana fifidianana: fanamafisana ny lalàna mifehy ny fangaraharana sy ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra, fametrahana sazy hentitra amin’ny tranga tsy fanarahan-dalàna… Eo ny hiantohana ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny Ceni. Eo koa hamafisina ny mangarahara sy ny fiarovana ny zotram-pifidianana: fanamafisana ny mangarahara sy ny fiarovana ny tranonkalan’ny Ceni ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa, ohatra.

R. Nd.

Partager sur: