FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo tonga nanome voninahitra ny fahatsiarovana ireo lavo teny Ambohitsorohitra tamin’ ny “Raharaha 7 febroary 2009” ny ben’ny Tanànan’­ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato teny Antaninarenina ho fanamarihana izany ny tenany, omaly.
Tsy mbola tratra ny tanjona ho an’ny fanovana tamin’ny tolona natao, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Monima, Roindefo Monja, omaly. “Antony hijoroana hatrany hiadiana ny demokrasia toekarana na politika ary sosialy izany”, hoy izy. Nanteriny fa mi­hamafy noho ny tamin’ny 2009 ny tranga misy amin’ izao fotoana izao.
Nohitsin’ny fanambaran’ny HVM fa fanitsakitsahana ny demokrasia ny fandrarana ny fivorian’ny antoko na vondrona, an-kalalalahana na anaty efitrano aza, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. “Mazava ny voalazan’ny lalàna fa malalaka ny fivoriana sy hetsika rehefa tsy manelingelina ny filaminam-bahoaka sy miteraka korontana.
Namboly hazo tany amin’ny fokontany Antsapanimahazo, Fihaonana Ankazobe, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly. Niara-niasa amin’ ny mponina eny an-toerana izy ireo tamin’ny fambolena karazan-kazo miisa 2 000 fototra amin’ny velaran-tany 4ha.

Partager sur: