Nanome voninahitra ny fahatsiarovana ny faha-50 taona nahalavo ny Kly Ratsimandrava Richard, omaly, teny Ambohijatovo Ambony, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisy ny hafatra fohy nambarany tamin’izany.
Nampitainy ny fiombonam-pon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana sarobidy izao. « Ny tantara tsy fanadino ary izany no mamaritra ny lalana hampandrosoana ny firenena ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy izy.
Notsaroana manokana nandritra izany koa ireo maherifon’ny firenena maty noho ny fitiavan-tanindrazana. Tahaka izany koa ireo mpitandro filaminana lavo teo am-panatanterahana ny iraka nampanaovina azy nandritra ny taona 2024. Teny nanentanana nandritra izany ny: « Mpitandro ny filaminana tsy miamboho adidy, mahafoy ny ainy ho an’ ny Tanindrazana ».
Anisan’ny niatrika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Teo koa ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala.
Etsy andaniny, notolorana mari-pankaherezana ny fianakavian’ireo Maherifo rehetra ary nofaranana tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fanamariham-pahatsiarovana izany avy eo.
Fampirantiana fahatsiarovana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy koa ny fampirantiana ho fahatsiarovana ny Kly Ratsimandrava, ao amin’ ny Lapan’Andafiavaratra. Haharitra 15 andro ny fampirantiana karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK).
Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MSK, i Fetra Rakotondrasoava, fa tsy hijery ny lasa fotsiny ihany isika. “Natao ho fanentanana mba handinika ny ankehitriny sy ny hoavy ka hampitaina amin’ireo taranaka fara aman-dimby ny tantara. Fanilo hitari-dalana amin’ny fanorenana ny firenena miray hina sy mijoro amin’ny maha izy azy”, hoy izy.
Synèse R.