“Azo lazaina hoe sarotra ny fitsarana ny “Raharaha Ratsimandrava”. Tena sarotra satria niankina tamin’ny didim-pitsarana tamin’iny no mety hoe mampihavana ny Malagasy na manapotika ny firenena”, hoy ny talen’ny kabinetra miaramila tamin’izany, ny jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe, tamin’ny febroary 2016, raha nanontaniana manokana. Izay no nahatonga ny tao amin’ny direktoara miaramila hoe: inona no mavesa-danja, ny firaisam-pirenena sa sanatria ho potika ny firenena? Hita ny namono fa potika ny firenena… Mazava ho azy fa ny firaisam-pirenena no tsy maintsy tandrovina. Izay no nanajanonana ny fitsarana teny antenantenany. “Nisy voampanga, dimy lahy fotsiny. Mba fanamarihana fotsiny hoe misy didim-pitsarana nivoaka. Raha ny tena marina, didim-pitsarana politika iny”, hoy izy.
Maro ny niteny hoe fantatra ny namono azy. Na izany fotsiny aza, tokony hamerenana ny fitsarana. Tao amin’ny fitsarana, ny kolonely Rabetafika nitomany ary nilaza hoe: “Tsy eto ny namono azy, fa nahazo toerana any ambony any”. Izany hoe, mbola fantatra hoe: iza no namono azy? Ireny rehetra mitambatra no ahitana hoe lafiny politika ny valin’ny fitsarana. Ny adim-poko no tena natahorana… Lafiny politika hafa mihitsy ny nampiatoana ny fitsarana. Fa hafa ny lafiny politika sy toekarena hoe namonoana azy.